Hifandray Tanana (TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao izay mikasa mba hitady fiadanana,
Tsy misy afa-tsy Jesosy
Fiadanana,finaritra,tsy miova fa maharitra,
Ka zovy no tsy ahasarika

Ny Tompo tsy manavaka ,tsy miangatra,
tsy miavona, Fa Izy no handolehana,
Satana izay mamatotra, mangeja ny fanahinao,
Jesosy no itokiana

Jesosy zanakin’I Ray,
ilay nanavotra antsika izao
Ilay nisolo ny helokao tamin’ny hazo fijaliana,
Koa handeha hobio,sy ankalazao
fa Izy no Mpamonjy anao
Saotra,dera,laza,manandaza ho anao mandrakizay

Handeha ary isika hifandray Tanana
Hiaraka hitady fiadanana
Fiainana mandrakizay,Sambatra anilan’I Ray
Rainay mandrakizay (o!o!o!)
Rainay mandrakizay (o!o!o!)
Rainay mandrakizay,ho fiainanay

Jesosy zanakin’I Ray,
ilay nanavotra antsika izao
Ilay nisolo ny helokao tamin’ny hazo fijaliana,
Koa handeha hobio,sy ankalazao
fa Izy no Mpamonjy anao
Saotra,dera,laza,manandaza ho anao mandrakizay

Handeha ary isika hifandray Tanana
Hiaraka hitady fiadanana
Fiainana mandrakizay,Sambatra anilan’I Ray
Rainay mandrakizay (o!o!o!)
Rainay mandrakizay (o!o!o!)
Rainay mandrakizay,ho fiainanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 248
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herizols
Daty : 14/04/2023 10:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4299