Endrey Endrey (TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Endrey endrey izany hafaliako,
Tanteraka anio ny faniriko
Fa afaka midera ny Mpamonjy
Nahazo famonjena sy ny vonjy
Asandrato,re ny feo
Alaviro ny toreo
La!  la!  la!  la!  la

Henoy,henoy hatrany ny tohin’ny hira
Mitaona anao mba hanam-pifaliana
Jesoa no nanome ny soa rehetra
Koa aoka hatoky Azy,tsisy fetra
Koa dia raiso ho fiainanao
Fa ny Tompo tsy mandao
La!  la!  la!  la!  la

Endrey ny fitiavany sy vonjy
Natolony ny zanany ho Mpamonjy
Ka saotra sy ny dera atolory
Nahazo famonjena ka Mihoby
Miandry anao ny Tomponao
Atolory ny fonao
La!  la!  la!  la!  la
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Hits : 397
Likes : 0 Like
Created by : herizols
Date : 14/04/2023 10:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2893