Ho avy Jesoa (TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miomana isika jiaby fa ho avy ankehitriny Jesosy
Tsy hanegny eh,fa raha marigny zegny eh
Miomana miomana fa ho avy zoky be tsika
Tsy hanegny eh,fa raha marigny zegny eh
Manaova parparé fa ho avy Jesosy eh !
Tsy hanegny eh,fa raha marigny zegny eh
Eh!ka miomana longo oh,fa marigny Jesosy
Tsy hanegny eh,fa raha marigny zegny eh

Ref:
Asika eh, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Marigny eh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh
Hoa zalahy, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Oh zoky eh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh
Babako oh, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Mamako oh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh

Tsy tokony hangorohoro antsika amin’ny andro zegny eh,
Ka miomana eh,dieny velona eto oh
Na hivadika ambony,ambany ny tany eh,ho potika niany
Ka miomana eh, dieny velona eto oh
Kitana,volana iraradraraka aby eh, tsy ataorantsika
Ka miomana eh,dieny velona eto oh
Ilay Mpanjakantsika no ho avy, hangalantsika
Andeha any eh,any ambadika any eh

Ref:
Asika eh, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Marigny eh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh
Hoa zalahy, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Oh zoky eh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh
Babako oh, Miomana sika jiaby zalahy eh,
Mamako oh, Jesosy Tompo Mpanjaka no ho avy eh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 294
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herizols
Daty : 14/04/2023 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715