Jesoa Kapiteny (TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitety ranomasim-be izany fiainantsika
Atopatopan’onjan-drano eny anivon-driaka
Toa miandry hatraiza hatraiza koa
Ny loza sy ny atambo
Ny vatolampy izay mety handrendrika ny sambo

Ref:
Nefa aza kivy fo,
Matokia an’I Jesoa
Izy re no tsy mandao
Tena kapiteninao

Tazanina ny eo aloha,jerena ny aoriana
Tsy mbola hita maso akory izany ny fitodiana
Indraindray ny masoandro toa mikipy tsy mijery
Izany saina mitebiteby sao dia very

Ref:
Nefa aza kivy fo,
Matokia an’I Jesoa
Izy re no tsy mandao
Tena kapiteninao

Tsy fantatsika akory re ny andro izay tavela
Fa mety ho kely sisa izany,mety mbola ho ela
An-dalana eny koa dia mety hisy fahavalo,
Izay mikendry mitady handresy ampimalo

Ref:
Nefa aza kivy fo,
Matokia an’I Jesoa
Izy re no tsy mandao
Tena kapiteninao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 307
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herizols
Daty : 14/04/2023 09:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3746