RY MPONINA AN-TANY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/ry-mponina-an-tany

Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty

Ny famonjena zaraina
omena an'ny firenena manomboka anio
Fa Jesoa Zaza Mpanjaka malaza
no tonga hizaraio vonjy io

Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty

Kanefa jereo ity fahantrany
Nanaiky ho ambany
Ny lanitra ambony dia efa nafoiny
Fa satrin'ny fony ny hankaty
Handray anao

Ry mponina an-tany,Tsiky dia ampy tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty

Andeha isika ho any Jodia
Andeha hamonjy Ilay Tompo tia
Samia mitondra ny fanati-pisaorana
Ho an'Ilay Tompom-piadanana
Ny fo sy ny fanahy omeo Azy koa
Fa io re no fanomezana tena tiany tokoa
Miankohofa eo anatrehany izao
Ho fanajana ny Mpamonjinao
Aoka ny tany mbamin'ny lanitra
Hihoby an'Andriamanitra

Ry mponina an-tany, tonga ny androany
Ilay Mesia ka Avia mifalia
Toy ireo Anjely
Samia re mampiely
Mpamonjy tia no ateraka aty

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 100
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 03/02/2020 18:14:57
ID : 12539

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo