NY FITIAVANA TSARA INDRINDRA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavana tsara indrindra
Dia fitiavana tsy novidiana
Dia ny nitiavan’Andriamanitra Tompo
Ny tany sy izao rehetra izao
Fa nomeny ny Zanaka tiany
Mba hitondra ny ota efe vita
Ireo mino rehetra
Dia tsy mba ho very
Ho velona mandrakizay

Izy tonga hitondra mazava ho anao
Ka hanala ny aizana an-tany
Izy tonga tsy ho hanameloka anao
Fa hamonjy sy hanafaka anao
Mibebaha ianao ka minoa ny Tsitoha
Minoa ny Mpanjaka Tsitoha
Fa ny mino rehetra hovonjeny
Mibebaha ianao fa efa tonga Jesoa
Mba hamela ny heloka vita

Toy izao no nitiavan’ny Tompo,
'Zao tontolo izao efa simba
Fa nomeny ny Zanaka
Mba tsy ho very
Izay mino azy (x2)
Nomeny ny Zanaka tiany
Mba hitondra ny heloka vita
Ireo mino rehetra
Dia tsy mba ho very
Ho velona mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 667
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 01/02/2020 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734