NY ANTSONAO JESO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny asan'ny safidinay
Na vokatry ny sitrapo
No anton'ny hanompoanay
Fa tena antsonao tokoa
Ka mahagaga loatra
Ka dia ho Anao ny saotra
Noho ny famindrampo
'Zay lehibe tokoa

Fa ny itoeranao ry Jesoa
No misy hafaliana
Satria ny fitantananao
No azo itokiana
Tompo ô! arotsahy
Eto indray ny hasoavanao
Hiaraka aminay
Jesoa ô! ahaizanay
Hitory ny voninahitrao
Ianao irery ihany

Ho misy angamba avy aminay
No anton'ito faniriana
Anefa tsy ho tanterakay
Raha tsy tao ny fitahiana
Izay tsy mety ritra
Ka dia ho Anao ny saotra
Noho ny famindrampo
'Zay lehibe tokoa

Hizotra aho am-pitokiana
Na tsy hatahotra izay mianjady
Hanohitra ny hakiviana
Raha toa tojo izany ady
Satria fitia mitoetra
Ka dia ho Anao ny saotra
Noho ny famindrampo
'Zay lehibe tokoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 575
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 01/02/2020 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749