MITALAHO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/mitalaho

Mitalaho famonjena Aminao aho, Jeso
Noho ireo fahotana vitako
Mivalo Aminao e!
Fa diso meloka tokoa
Tsy mendrika ahy akory ny hiantso hoe Jeso

Noho ny amiko sy noho ny fahotako maro no
Nanoloranao tena ho avotro
Namoizanao ny ainao koa
Nalatsakao ny ranao soa
Ho fanavotana ahy amin'ny otako

Mafy sady mahavaky fo ry Tompo
Ny kapoaka nentinao
Fa fahoriana fijaliana
No zakaina sy niafiana
Tsapako tokoa anio ry Ray
Ny fitiavanao ahy
Ka ny hazo fijaliana
Sy ny dinitrao nitete
Tsy ho hadinoiko fa tsaroako
Ho ahy retononkira.serasera.org

Neniko ny lasa
Ny ho avy ampy hisainako satria
Ianao no Mpamonjy be fitia
Ny nanomboana Anao,
Dia hisolo heloka ahy izao
Ka diovy sy sasao amin'ny rĂ nao

Vonona aho ny hanonotra
Ny ratsy vitako taloha
Ka ny andro sisa mbola hiainako
Dia hatokako hanompoako Anao
Sy hanolorako izao
Ny tenako mba ho eo ambany elatrao

Mafy sady mahavaky fo ry Tompo
Ny kapoaka nentinao
Fa fahoriana fijaliana
No zakaina sy niafiana
Tsapako tokoa anio ry Ray
Ny fitiavanao ahy
Ka ny hazo fijaliana
Sy ny dinitrao nitete
Tsy ho hadinoiko fa tsaroako
Ho ahy re

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 14
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 01/02/2020 08:41:28
ID : 12489

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo