MBA HO AZY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/mba-ho-azy

Vao midona ny andron’ny fahavaratra, tonga ny orana
Dia injao fa tsaroana koa
Fa ho avy indray ‘lay Noely soa
Andro iray tsy mba adino
Ho an’izay mino
Andro lehibe tokoa
Ka na kely na lehibe samy faly ery  
Tonga ilay Mesia

Isan-taon'izao  
mankalaza foana  
ny andro nahaterahan’i Jesoa
nefa ve no fo efa mba niova  
mba ho tranon’omby antononkira.serasera.orgaiky itoerany

Ry olona o ! Aza atao hoe fahazarana ny fankalazana
Ny andron’ny Noely toy izao
Fa mba hitondra aingam-piovana
Dia ho faly tanteraka, tonga lafatra
Fo fanahy sambatra
Fa tsy mba fety fotsiny  
Fa ahazoanao haim-panahy vaovao

Isan-taon'izao  
mankalaza foana  
ny andro nahaterahan’i Jesoa
nefa ve no fo efa mba niova  
mba ho tranon’omby anaiky itoerany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 105
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 03/02/2020 18:14:59
ID : 12541

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo