MAMIKO JESOA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamiko Ianao Jesoa ô !
Deraiko Ianao ry Tompo ô !
Ry Tompo ô !
Ankalazaiko ny Anaranao
Fa tonga Ianao
Hitady sy hamonjy izay very
Tompo ô !
Mandrakizay ny fitiavanao

Mamiko Ianao Jesoa ô !
Teraka Ianao ry Jesoa Kristy ô !
Ry Kristy ô !
Ny tranon'omby no safidinao
Ankehitriny mba ny foko
Itoero anjakao Jesoa ô
Mandrakizay ny fitiavanao

Jesoa ô !
Ity ny foko ho Anao (ho Anao)
Itoero anjakao
Ho lapanao, anjakao Kristy ô !
'Reo toetra ratsy tsy mahasoa
Esory avokoa
Ny ota rehetra teo aloha
Ifonako Jesoa
ny faniriako dia ny foko no itoeranao Jesoa ô !
Izao noely izao
Noely izao
Noely hanavao
Ny toetrako
Ny fiainako ho Anao
Ny fiadanan'entinao ry Tompo ô !
Dia hitoetr'am-poko ao
Sambatra ny fo izay itoeranao
Mamiko Jesoa 'Zao noely zao
Mamiko Ianao Jesoa ô mamiko Ianao
Jesoa ô !
Mamiko ianao
Jesoa ô !
Mamiko Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 434
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 29/01/2020 23:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748