IZAHO RY JESOSY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/izaho-ry-jesosy

Izaho ry Jesosy

1-Izaho ry Jesosy dia vonon'izao
Vonon-kitsangana hanaraka Anao
Ka nefa Jesosy malemy tokoa
Ka avia re tantano dia ho tafita soa

Fiv:
Jesoa Malala ô! (avia?) Mpamonjy tia
Raiso re fa ondry nania
Jeso tantano, tantano izahay
Tantano Jesosy sao ho very eto indray

2-Fa ny fahotako dia maro tokoa
Ka tsy mba mendrika Anao Tompo soa
Nefa ny avotrao tao Kaltononkira.serasera.orgvary
Tokiko mandra-pialako ety

3-Ny foko Jesosy atolotro Anao
Mbola maloto kanefa sasao
Eny Jesosy sasao ho madio
Ao re mitoetra manomboka anio

4-Ny tenako rehetra dia vonona izao
Vonon-kanefa izay sitrakao
Aina no fetra hanarahako Anao
Raiso aho, Jesosy, ho mendrika Anao

5-Fanahy Masina ô! Tsinjovy izahay
Tsinjovy hahita ny lapan'ny Ray
Midina Jesosy aty aminay
Midina Jesosy ka raiso izahay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 179
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 28/01/2020 18:17:34
ID : 12466

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo