INDRO ATOLOTRO ANAO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro atolotro Anao
Ity foko Jeso
Fa maniry loatra ny
Mba hanjakanao (Jeso)
O! diovy ny sasao
Mba ho mendrika Anao
Mba hahazoako fiainam-baovao

Ianao no Mpamonjy ny fiainako ety
Ianao no nanolotra ny rànao soa tao Kalvary
Ianao no mpamory ny ondry mania
Ianao no fanantenako hatrary (Hatrary)
Indro atolotro Anao
Ity foko anio
Raiso Tompo, raiso ho Anao doria

Na tsy mendrika aza re!
Ity mpanomponao
Dia manantona Anao
'Lay Tompo mpanavao (Jeso)
O! Diovy sy havaozy
Mba ho toy ny Anao
Ity foko re Jeso mba hazavao

Ianao no fanilon'ny fiainako ety
Ianao no fitarikandro hanazava izany dia
Ianao no iriko ho Tompo satria
Ianao no 'lay mpiandry ondry be fitia (be fitia)
Indro atolotro Anao
Ity foko anio
Raiso Tompo, raiso ho Anao doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 504
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 28/01/2020 19:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715