FA NY FAHASOAVANAO NO NAHATOY IZAO AHY! (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haja ambony amin-po tena tony no ankalazako
Lay Tompo masina ambony mpitsinjo ny dia
Tsy aiko vidina ireo fitahiana misesy tsy miato
Tsy tiany ho lavo ity fikambanana ity
Ny rivotra mifofo sy ny rahona izay mitatao
Tsy ireny ry Tompo no hahasaraka ahy aminao
Ilaozako anio ny tahotra, ny hovitra sy ny ahiahy
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy!

Tena tsy foiko ary tsy ho adinioko na oviana na oviana
Ty fikambanana tanora mamiko ity
Satriko hatrany mba hamela mamy ombam-pitahiana
Izaho dia mety handao fa fa ny fo mbola tia
Ka na taona maro aorina mbola tiako dia tiako tokoa
Ilay fikambanana kely nahazoako ny soa
Fa he mahagaga tokoa ny asanao ao am-po sy am-panahy
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy!

Ray aman-dreny dia indro niteny nitaiza am-pitiavana
Io lay fiangonana zay nahazoaka ny soa
Ka ho hajaiko tsy ho afaka an-tsaiko ilay fitiavana
Nanolokolo ka isaorako eram-po
Fa tsy very maina ry Tompo ireo asa vita hatrizay
Niteraka finoana velona sy nampiray
Tsy ny lasa ihany no tsara fa ny ho avy Ianao mbola hitahy
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 786
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 28/01/2020 19:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724