Mihira fihiram-baovao (SLK Ambohidroa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihira fihiram-baovao
Hoan’I Jehovah
Ry firenen-drehetra ô
Mankalaza ny anarany
Amin’ny feo fifaliana

1) Tsy mba ho foana akory
Ny fikelezanareo aina
Hoy ny Tompo
Fa ataovy amin’ny fo
Izany rehetra izany
Dia ho hitanao

2) Izao no fahazavana
Sy famonjena eto an-tany
Hoy Jehovah
Izay manatona azy
Dia harovany
Ka tsy ho very

3) Aza mba resy tondro maso
Na oviana na oviana
Ry namako ô
Ento am-bavaka,
eny mandrakariva
izay rehetra atao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK Ambohidroa
Vangy : 483
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mendrikaanja
Daty : 04/04/2022 23:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074