Ray o! (SALOMA Ambolokandrina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray o!
tsy misy miafina aminao,
ny fangejana mafy izay,
mihatra aminay;
Ray o!
raha sitrakao afao izahay,
fa mijaly, mijaly izahay,
ry Ray...

Ianao no antenaina hanafaka,
izao fahantrana mafy,
iainanay.
Mba valio re ry Ray,
mba valio re izahay,
miandry anao

mino aho fa mihaino ny vavako,
ianao ry mpamonjiko,
sy Tompo Andriamanitro o!
Faingana Ianao,
fa miandry Anao aho,
voageja, mangetaheta,
famonjena avy Aminao...

Ianao no antenaina hanafaka...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALOMA Ambolokandrina
Vangy : 2099
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lovyaru
Daty : 30/04/2014 20:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084