Aleoko ihany (SALOMA Ambolokandrina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(yeahh!! Efa vita ny safidy
hanaraka anao aho, vonona ny hamita adidy)

Aleoko ihany
Ny miaraka amin'i Jesosy
Dia aleoko ihany
Na hahitako ny eso sy latsa ary koa fahoriana eh oh
Tsy maintsy holanjaiko am-pitiavana ny hazo fijaliana
Miaraka amin'i Jesosy

Fa Izy anie
Mahalala ny hevitra heverany antsika olony
Dia hevitra hitondra fiadanana fa
Sanatria tsy loza hamarina an-kady
Mahatoky an'izany
Za mahatoky an'izany

Ref:
Eh i eh eh eh
Eeeeh, mpandresy aho
Na atopatopan'ny rivotra sy onja mahery aza aho
Raha mbola Jesosy ihany no kapiteny
Tsy maintsy tafita ilay sambokely
Any an-danitra oa ah
Any vao mijanona eh eh eh eh
Eeeeh, tsy maintsy mandresy aho oa
Na tena efa mila ho difotry ny rano mihitsy aza aho
Raha mbola Jesosy ihany no kapiteny
Tsy maintsy tafita ilay sambokely
Mpandresy aaaa aho
Ao amin'i Jesosy!!

Aleoko ihany
Ny miaraka amin'i Jesosy
Dia aleoko ihany
Ilay devoly, satana tsy ho reraka mihitsy ny handavo ahy ohh
Fa ny miaraka amin'i Jesosy
Dia misy mpiaro
Za tsy maintsy mandresy

Fa Izy anie
Mahalala ny hevitra heverany antsika olony
Dia hevitra hitondra fiadanana fa
Sanatria tsy loza hamarina an-kady
Mahatoky an'izany
Za mahatoky an'izany

Ref:
Eh i eh eh eh
Ehhhh.......

(Aleoko ihany miaraka aminao ry Tompo
Na maro ireo hanenjika, hankahala za tsy hiala
Tsy hitsahatra ny hanompo
Hanaraka tsisy fepetra
Ny adalako rehetra asiako fetra
Yeahh!! Eo anilanao no hitoetra)

Ref:
Eh i eh eh eh
Eeeeh......

Ao amin'i Jesosy! (X2)
JESOSY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALOMA Ambolokandrina
Vangy : 825
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanasina2
Daty : 18/06/2020 20:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092