Eto anatrehanao (SALOMA Ambolokandrina)

https://tononkira.serasera.org/hira/saloma-ambolokandrina/eto-anatrehanao

Eto anatrehanao izahay Jesô
No mivavaka sy miantso Anao
Na dia tsy mendrika aza
Ny hanonona ny Anaranao
Tonga nofo Ianao
Sy nanetry tena ho ahy
Tsy mba lapa soa
Fa vilona moa
No hany nandrianao fahizay

Ref:
Misaotra Anao
Jesô malala oh
Nanaiky hanavotra anay
Nilaozanao
Ny fiandriananao
NohoTsiky dia ampy ny fitiavanao anay
Tompo oh resinao
(resinao)
Ity foko babonao
(babonao)
Mitoera ao
(ouh ouh ouh ouh)

Ireo fahalemeko maro be
Izay enta-mavesatra ho ahy
No ankanesako aty Aminao
Hahitako fitsaharana
Fa raha ny Zanakao
No hanafaka ahy ee, ouh
Ho afaka tokoa izahay
Tsy ho andevon'ota intsony re

Ref: Misaotra Anao....

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SALOMA Ambolokandrina
Mpamaky : 148
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fanasina2
Tamin'ny : 04/04/2021 10:03:05
ID : 13419

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo