Tsara loatra (SALOMA Ambolokandrina)

https://tononkira.serasera.org/hira/saloma-ambolokandrina/tsara-loatra

Haleloia
Haleloia
No asandratray ho Anao
Ry Tompo masina oh
Haleloia

Fa tsara loatra ianao ry Ray
Ny halebiazanao tsy takatray
Fa heniky ny hasoavanao
Ny tavanao mamiratra aminay
Manala ny aizina ao anatinay
Ka fifaliana hatrany no iainanay

Fa ny fahasoavanao
(ouh ouh ouh)
Tsy miova omaly, anio, mandrakizay
(ah ah ah)
F'izany indrindra Tompo oh
No hihiranay ho Anao
(Tompo oh)
Haleloia

Ref:
Haleloia
(Tsiky dia ampyNo asandratray ho Anao ry Ray)
Haleloia
(Haleloia)
No asandratray ho Anao
(Asandratray)
Ry Tompo Masina oh
(Tompo oh, ho Anao)
Haleloia

Nidina tety an-tany
(Nidina tety an-tany)
Ho famonjena ireo nania
(Nania)
Nanetry tena ho ambany
Nidina tety

Tsy faly ireo mpanohitra
(Tsy faly)
Ka nikendry hamono Azy
(ohh tsy faly)
Nampamono ireo zaza
Latsaky ny roa taona
Latsaky ny roa taona

Na na na na na na na (×16)

Ref: Haleloia......

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SALOMA Ambolokandrina
Mpamaky : 97
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fanasina2
Tamin'ny : 04/04/2021 10:03:22
ID : 13415

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo