KRISTY NO FAHAMARINANA (Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tohizo ny antso samy handre ny mpiara-belona
Faingana ry miaramilan'i Kristy
Sao difotry ny rano sy ala kitroka
'Reo ondry very mbola ao am-balany

Ref: Ry mpino namako ô
Mitsangàna ka sahia
Torio 'lay kintana mazava dia Kristy
'Zay mamerina ny maro ho @fahamarinana
Dia hamiratra mandrakizay doria

2. Ireo toaka sy karazan-java-mahadomelina
'Zay fototry ny ratsy ety an-tany ety
No ala kitrokin'ny saina, fo, fanahy
Ka mora andairan'ny aretina SIDA

Ref:Ry mpino namako ô................

3. Ny Rantsana Fanantenana androany miantso anao
Handao ny ratsy ka hiova olom-baovao
Fa raha manaiky ianao ny handray an'i Kristy
Hamiratra aminao ny voninahiny

Ref:Ry mpino namako ô...............
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE
Vangy : 226
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : njato7881
Daty : 22/02/2023 11:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722