KRISTY NO FAHAMARINANA (Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tohizo ny antso samy handre ny mpiara-belona Faingana ry miaramilan'i Kristy
Sao difotry ny rano sy ala kitroka
'Reo ondry very mbola ao am-balany
Ref: Ry mpino namako ô
Mitsangàna ka sahia
Torio 'lay kintana mazava dia Kristy
'Zay mamerina ny maro ho @fahamarinana
Dia hamiratra mandrakizay doria
2. Ireo toaka sy karazan-java-mahadomelina
'Zay fototry ny ratsy ety an-tany ety
No ala kitrokin'ny saina, fo, fanahy
Ka mora andairan'ny aretina SIDA
Ref:Ry mpino namako ô................
3. Ny Rantsana Fanantenana androany miantso anao
Handao ny ratsy ka hiova olom-baovao
Fa raha manaiky ianao ny handray an'i Kristy
Hamiratra aminao ny voninahiny
Ref:Ry mpino namako ô...............
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBEHits : 311
Likes : 0 Like
Created by : njato7881
Date : 22/02/2023 11:03