Miantso Anao 'zahay (Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE)

https://tononkira.serasera.org/hira/rantsana-fanantenana-fjkm-ziona-fahazavana-anosibe/miantso-anao-zahay

Miantso Anao zahay
Ouh! Ouh! Ouh!.....Miantso Anao izahay (Basse)
Miantso Anao… Miantso Anao izahay (3é)
Miatso Anao izahay Ray oh…Miantso Anao izahay (1é&2é)

Hafaonao Ray oh! Ity taninay, ny nosinay, nosinay
Amin’ny hadalany sy ny fahotany mamatotra azy re
Ireo filibana sy ny rendrarendra zay maminy, maminy
Vonjeonao ry Ray ity nosinay fandrao dia ho very izahay
Ny toaka, sigara, paraky, jamala, mamatotr’e azy re
Tsy ireo ihany anefa ry Ray no mangeja azy re
Fijangajangana, fanimbazimbana no maminy, tiany
Vonjeonao ry Ray ity nosinay fandrao dia ho very izahay
Tsiky dia ampyOuh! Miantso Anao eh! Ouh! Mba valio eh!
Ouh! Aza ariana eh! Vonjeonao ity nosinay!
Miantso Anao izahay Ray oh!
Miantso Anao, miantso Anao izahay
Lazaina fa soa ny fiarahana kanefa anie tsy hainy
Fa làlan-doza no alehany, hizorany,diaviny
Hodiany tsy re hoe ny afobe no lovany, lovany
Ka vonjeo ry Ray ity taninay fandrao dia ho very izahay
Ny Fanahinao no ampitoero eto aminay, aminay
Hanjaka aminay sy hanapaka ny fiainanay, fiainanay
F’I Satana anie sy ny asany hafatotrao, fatotrao
Tsy hanan’anjara eto aminay satria olonao izahay
Ouh! Manantena! Ouh! Famonjena!
Ouh! Izahay! Ho vonjenao ny nosinay!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE
Mpamaky : 572
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : njato7881
Tamin'ny : 21/01/2015 07:53:27
ID : 7089

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo