Isaoranay (Hira faneva faha-80 taonan'ny SVM Ambaniala Malala) (Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Isaoranay Anao nitantana hatrizay
Nahalavorary ireo rehetra nataonay
Fa maminay ny asa sy fanoloran-tena
Ka mbola hidera sy hankalaza Anao zahay

Refrain
Jesoa, omeo taona maro indray
Hamindrao fo ka ataovy fianarana izahay
Tianay sy maminay ianao
Arovy sy tantano ny fikambananay

2. Fa mbola tena maro ireo izay tsy efanay
Lazaina ny teninao, hanarina hatrany
Ekenay ny hanome ny tena sy hanokana
Ny aminay mba hitoriana ho azy ireo

3. Ny hoavy apetrakay am-pelatànanao
Ka hirinay hatrany, Jesoa no hanjaka ao
Arovy amin'ireo fakam-panahy ilay
Fanolorana tena sy fanahinay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1659