You are here: home > Tononkira > Oriela

Ny fitiavanao (Oriela)

https://tononkira.serasera.org/hira/oriela/ny-fitiavanao-2

Ny fitiavanao ry Tompoko malala
No nampianatra ahy hitsinjo hahalala
Ny hoaviko tsy haiko na ho mamy na hangidy
Ny sitrakao ihany ( ry Raiko Tompo tia)
No (raisiko ho) safidy

Ref:
Fa tsy afaka ato an tsaiko ny dinitrao ry Tompo
Nanavotra ny aiko, dia izaho izay tononkira.serasera.orgmaloto
O! O! O! Fa mamiko raha mamy ny eo anilanao
Ho levona, ho rava, ho foana ny talaho
Ny fitiavanao no tiako fa tia ahy

Ny fitiavanao, eny Ianao irery
No hany sahy mijoro, miaro tsy an-tery
Niaritra ny mafy sy nizaka fahoriana
Raha eo an-tratranao (ry Tompo tia)
Tsy (haiko ny) hangina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Oriela
Mpamaky : 66
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faniry20
Tamin'ny : 30/07/2020 09:21:45
ID : 12946

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo