Tsarovy Andriamanitra (Oriela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro amintsika hoe olom-banona
Miezaka hatrany mba ho tafarina
Mampiasa hafetsena sy hery hatrany
Adalana sy sampy ary fandrombana
Ny adidy am-piangonana no hamahana
Oe mpanompo mahavita ara-dalana
Imolotra ihany fa tsy ao anaty
Hanafina ny atao tsy harantiranty

Ref:
Tsarovy anefa ra-olobelona o!
Ny fitiavan-tena tsy maintsy ho levona
Ny harena, ny laza, ny voninahitra
Dia ho zava-poana fa tsy haharitra
'Lay Tompo Jesoa izay hodian-tsy hita
Satria tsy eo imaso mirenty bika
No hany hampitraka izay hatao
Eo anivon'ny ota mangeja anao.

Maro amintsika ao am-piangonana
No manaram-po tsisy fiononana
Mampiasa habibiana fa hoe ambony
Manetry ny hafa tsy hijoro intsony
Fahaiza-miteny no ampianarina
Fa Jesoa no lalana hifaharana
K'anefa mpitarika vilam-bava
F'ilay voninahitra no hatraka.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oriela
Vangy : 464
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faniry20
Daty : 30/07/2020 14:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732