You are here: home > Tononkira > Oriela

Ry raiko o (Oriela)

https://tononkira.serasera.org/hira/oriela/ry-raiko-o

Ry Raiko o! Nahoana moa no tamiko ny tendrinao
Izaho izay simba sy efa lo, tsy afak'ota hatramin'izao
Tsy mendrika ny ho toa Anao sy ho mpitondra hafatra
Ka hampitraka ny fanahin'ireo izay mandry an-tatatra

Ry Raiko o! Tsy sahiko
Ny hangataka Aminao indray
Hoe mamindra fo amiko
Koseho 'reo ditrako hatononkira.serasera.orgtrizay
Tsy mendrika ahy ry Tompo o!
Ny Anaranao

K'anefa ekeko ihany f'Ianao no efa niantso
Hamafa ny tomany sy hamaoka ranomaso
Fa maro sesehena ireo ory sy mijaly
Mahantra mahonena tsy afaka hifaly

Ry Raiko o! Ny sitrakao
No tanteraho amiko
Fa vonona aho ho irakao
Hanondrotra ny taniko
An-tratranao mandrakizay ho Anao ry Ray

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Oriela
Mpamaky : 71
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faniry20
Tamin'ny : 30/07/2020 12:03:32
ID : 12949

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo