Dinitry ny Tompo (Oriela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hazo fijalianao Jesoa
No fifaliako hatramin'izao Tompo o!
Izay mitondra fanavotana anay
Hatramin'izao sy ho mandrakizay

Ref:
Ny ra nalatsakao taty
No mitondra famonjena ho anay
Ny dinitrao tao kalvary re
No tena reharehanay
Indro ny saotra sy dera
Hatolotra ho Anao
Ho Anao ry Jesoa
Haleoia sy hosana
Ho Anao mandrakizay doria

Ny ratra nahazo Anao Jesoa
No ampinga miaro anay Tompo o!
Ka na sarotra mafy ny fiainana
Tsy ho kivy intsony ny fanahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oriela
Vangy : 562
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : faniry20
Daty : 30/07/2020 13:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076