You are here: home > Tononkira > Oriela

Mifankatiava (Oriela)

https://tononkira.serasera.org/hira/oriela/mifankatiava

1. Isika izao samy zanany satria samy nateraka indray
Samy mitondra ny anarany ka irahiny koa hampiray
Fa ny teny nataony tsy miova tsy levona mandrakizay
Hoe mifankatiava ry lahy, iray saina sy fo sy fanahy

2. Ny finoana re no ampinga enti-miady ami-fakam-panahy
Mivonona ary misikina aza ho isan'ny fatram-panda
Lanitra no mivoha hoantsika maniry mba hoany amin'ny Ray
Dieny izao mbola tsy mangatsiaka 'ndao hiaraka anangana

3. Aza miandry ny ampitso koa Tsiky dia ampyndrao ny loza no hanakana
Mijoroa 'zao ka mandrosoa jesoa Tompo no hitantana
Maro ny asa tsy vita mbola hikatrohana hiarahana
Mahereza ary dia mazotoa ka hataovy am-pitiavana.

Ref:
Mifankatiava sy miraisa hina tokoa re rahavako o!
Fa ny asa ho vita rehefa hifanampina faingana malalako o!
Aoka re tsy ho varimbariana hitady kidoro hatoriana e!
Mandalo izao fiainana izao k'aza tratra aoriana e!

Ie! Mifankatiava sy miraisa hina ry lahy
Io! Ny asa ho vita rehefa hifanampiana leroa e!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Oriela
Mpamaky : 126
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faniry20
Tamin'ny : 30/07/2020 16:59:31
ID : 12952

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo