Efa mba nosaininao ve? (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efa mba nosaininao ve
Hoe voavonjy ianao?
Efa mba nosaininao
Hoe fandalovana ny ety?
Ka aza dia variambariana
Sao voafingana lahy o!
Mivonona ka ento re
Ny fanevanao

2- Efa mba nosaininao ve
Fa efa tena antomotra?
Ilay fiverenan'i
Ilay Jesosy Tompo Kristy
Ka aza mitsahatra ianao
Ny mivavaka lahy o!
Miambena ka mivavaha
Mba tsy hanenina re!

Ref:
K'andao hitsena ilay Jesosy
Fa ianao no efa nofidiany
Tao anatin'ireo maro
Hiara handova ilay toerana kanto
"Paradisa"
A/C: AMM
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Tsanta Fitoriana
Vangy : 770
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramah17
Daty : 22/09/2021 19:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738