You are here: home > Tononkira > Ny Menafify

Jesosy Mpanafaka (Ny Menafify)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-menafify/jesosy-mpanafaka-1

Jesosy mpanafaka  no nanafa-patotra
Tamin’ireo gadra maro izay nanjo
Tamin’izay fotoana izay no nahatalanjona ahy
Hay Jesosy manan-kery hanafaka

Afaka aho, sambatra aho,( am-poko ao)
Manana mpiantoka an’i Jesosy
Mifalia mihira , Haleloia Gloria
Fa Jesosy no mpanafaka

Jesosy niantso ahy hoe avia hifandahatra
Fa havelako tokoa  ny helokao
Ireo ota vitanao raha hifonanao iTsiky dia ampyzao
Dia hodioviko sy hosasako ny fonao
Afaka aho, …

Maro ve ny olanao, be ny tebitebinao
Sasatra mitolona ady lava izao
Ity misy lalana izay mitondra fiainana
Raiso am-po Jesosy dia ho afaka ianao
Afaka aho, …

Jesosy niantso ahy hoe avia hifandahatra
Fa havelako tokoa  ny helokao
Andeha ary isika izao hanome voninahitra
Fa Jesosy no mpanafaka
Mifalia mihira , Haleloia Gloria
Fa Jesosy no mpanafaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Menafify
Mpamaky : 835
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ra Pa
Tamin'ny : 10/04/2017 19:13:59
ID : 9292

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo