TIAVO HAJAO NY TOMPONAO (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mahantra an-tany Ianao
no mbola tsy handova ny lanitra ve
Tsy an-tany tsy an-danitra hatramin'izao
minia tsy manaja an'Andriamanitra re

Aza atao hoe tsy mba tian'Andriamanitra ianao satria ambany
Ianao eny ianao no anton'izany
Sitrakao ny ho tahiny nefa lavinao izay mba andidiny
Koa tiavo hajao Ny Tomponao

Efa mpanjakan'ny tany ianao
ka tsy mila izay lova any an-danitra ve
Matoky fa manankery tsy mandao
minia tsy manaja an'Andriamanitra re

Mba tsarovy fa vahiny mbola hody sady ho tsaraina ianao
Na tsara eny na ratsy izay natao
Raha sitrakao ny handova aza lavinao izay mba andidiny
Koa tiavo hajao Ny Tomponao

Aza sondriana mibanjina tany
fa tsy mahasoa ny tsy homban'i Jesoa
Ny eto anie fandalovana ihany
tsy mety mateza fa tsy maintsy ho lo

Fa katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra izay no teny
hanampy anao e! ny zava-drehetra
Na harena na fahaizana na aina mora fongana ireny
Jesoa aina fahaizana haren-tsy voafetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Feo Mamatonalina
Vangy : 504
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : H.A.J.
Daty : 22/10/2021 18:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1868