Tiako ny teninao (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ny teninao e!Iriko ny teninao e!
Toriko mba ho ren'izay rehetra
maheno fa masina ny teninao
Hiraiko ny teninao e!
Zaraiko ny teninao e!
Mibaiko handehanako amin'ny lala-mahitsy sy marina
ny teninao
Fa marina ny teninao,
masina ny teninao
Ho reharehako amin'ny lalan-kalehako
fa ato amiko ny teninao
Reko ny teninao e!
ekeko ny teninao e!
Omeko ho vatsy ho an'izay reraka
am-panahy ny teninao e!
Mamiko ny teninao e!
Ato amiko ny teninao e!
Indramiko ho lasa fomba fiteniko
isan'andro ny teninao e!
Fa mamiko loatra ny teninao
Tompo o misaotra noho ny teninao
Ho reharehako amin'ny lalan-kalehako
fa ato amiko ny teninao
Dia ho tarafiko amin'ny teninao e! ( Ny fiainako)
Dinihiko amin'ny teninao e!
Vokisako amin'ny teninao e!
Mba ho velombelona indray
Tsiloviko amin'ny teninao e! ( Ny fiainako)
Dioviko amin'ny teninao e!
Fandrao na dia nitory
tamin'ny sasany aza aho dia ho lavina kosa ny tenako
Fa mamiko loatra
ny teninao
Tompo o misaotra noho ny teninao!!!
Ho fiainako, hiainako, fifaliako ny teninao
Sady fanilo no fanazavana ny lalako ny teninao
Teny velona sady mahery ilaiko amin'ny fiainako rehetra
ny teninao
Fifaliako ny teninao
Hitafiako ny teninao
Hovakiako ny teninao
Hotoriako ny teninao
Jesosy ô! Mamiko Ianao
Jesosy ô!
Ny teninao Tompo ô mahafa-tahotra ahy
Jesosy ô! Mitenena
Ianao
Jesosy ô! Ny teninao Tompo ô
no mahafa-tahotra ahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENAHits : 140
Likes : 0 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 12/07/2025 20:58
