TAFATOETRA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mienjera ka solafaka, te hiarina fa tsy afaka aho
Malama anie ny lalako ety
Mahantra sy ampahoriana Ory sy ampijaliana
Mafaitra anie ny fiainana ety
Fa izao no voadiko, Izaho Jeso Tsy hisaraka aminao
Ity no voadiko

Ao anaty fifaliana, Ao anaty fahoriana
Raha mila ho azon’ny famoizam-po
Mirongatra, manenjika ahy,Mafy ny fakam-panahy
Misesisesy koa ny loza manjo F’izao no voadiko

Izaho jeso tsy hisaraka aminao
Izaho Jeso, henoy ny voadiko
Inty aho Jeso, inty aho Jeso

(Tsy hisaraka aminao aho e)
O mba henoy, henoy izao fikasako izao
Inty aho Jeso, inty aho jeso
Hifikitra aminao fa tsy hiala
Fa ianao Jeso no Tompoko malala ka,

(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Maniry anao, mangetaheta anao
Izaho Jeso, henoy ny voadiko
Inty aho Jeso, inty aho Jeso

Betsaka moa, maro tokoa
Ireo te hisintona ahy hiala aminao
Mampanantena vola sy harena
Satria toa fantany izay mampalemy ahy
Ka mainka koa mitombo ny fakam-panahy fa

(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Izaho Jeso tsy hisaraka aminao
(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Maniry anao,mikasa aho Tompo o !
(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Ho eo aminao aho Tompo o! mino anao aho Tompo!

Tsy hisaraka aminao aho e
Jesosy o ! jereo ity mpanomponao
Tsy hisaraka aminao aho e
Anao aho Jeso, anao aho Jeso
Tsilovy re ny lalana ombako
Fa ianao Jesosy no fahazavako

(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Tsy jisaraka aminao, te hiaraka aminao
Izaho Jeso, izaho Jeso,izaho Jeso o !
Inty aho Jeso, inty aho Jeso

Oou ! ouu ! oooouuuu !
Izaho Jeso tsy te hisaraka aminao
Izay no voady izay ataoko anio izao
Henoy aho Tompo o ! henoy aho Tompo o
Tompo o mba raisonao ny faniriako
Ho eo anilanao anie no tiako

(Izaho Jeso tsy hisaraka aminao)
Tazomy aho fa tsy mahatana anao
Hamasinonao izaho fisakasako izao
Tano aho Tompo o ! tano aho Tompo

Izaho Jeso tsy hisaraka aminao
Izaho Jeso tsy hisaraka aminao
Izaho Jeso henoy ny voadiko
Inty aho Tompo o, inty aho Tompo o

Tsy hisaraka aminao aho e
Tompo o ampio aho tsy ho tafasaraka aminao
Tsy hisaraka aminao aho e
Te hitoetra anie ; tafatoetra re
Matanjaka aho raha miaraka aminao
Tahio Tompo o, izao fikasako izao, fa

Oou ! oouu ! ooouuu !!!
Anao aho Tompo o, Anao aho e
Sambatra aho fa efa anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 468
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 23/12/2019 16:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.089