SATRIKO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satriko ho tahianao, ny asa fivelomako,
Ny fianam-piankohonako, ambininao
Tiako raha mitombo ny harena eo an-tanako
Ho ampy mba hiadanako, ambininao
Iriko mba ho fifaliana ny tontolon'ny androko,
Mirana ny atoandroko, faly aminao
Raha ny nofinofy, dia satry tsy harary
Lavitry ny rofy, tsy tratry ny mosary, arovanao

Fa hainao, fa hainao
Mahay ny zavatra rehetra ianao
Efanao daholo izay tianao atao
Anao izao tontolo izao
Zarainao, zarainao
Na dia mbola tsy mangataka aza
Ny anjara izay antonona sahaza ahy
Raha fantatrao fa mahasoa ahy

Nefa tsy amin' izao hita maso izao ihany anie
No anantenako anao,
Tsy te-hahantra aho, tsy te-hahantra aho
Mahantra aho manana anao
Na omenao ahy mba ho fananako aza anie izao tontolo izao
Kanefa very aho, nefa very aho
Very tsy manana anao

Tsy hisy hianteherana intsony, tsy manana anao fitokiana
Tsy misy antenaina ny fony, tsy hiaina ny lanitra vao
Tsy hahita ny any aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 409
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 23/12/2019 16:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738