MPANDRESY AHO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha eo aminao aho Jesosy o!
Tsy mba matahotra mihitsy ny saiko
Raha manana anao aho,
miaraka aminao aho,
Inona indray no mbola antenaiko
Noho ny adim-piainana ambonin'ny tany
Reo masoko roa ireo mety hitomany
Tsy faharesena no dikan'izao,
Satria fanefena ny ho ao aminao
Fa manoatra noho ny mpandresy aho
fa manana anao aho, miaraka aminao aho
Mpandresy aho, mpandresy aho,
toy ny mpandresy aho noho Jeso ilay tia ahy.

Na mianjera sy mitrosona, lavo tamin'ny tany aho
dia mbola nareninao ihany aho
Na nandeha niampita rano, namaky ny afo
notsenainao safosafo
na voageja aza aho dia tsy tery
satria novahanao ny fatorako
lavi-dalana aho fa tsy very
fa noho ianao Jesosy o!

dia manoatra noho ny mpandresy aho
na vontom-pahoriana aho,
mararim-pijaliana aho
mpandresy aho, mpandresy aho
mpandresy aho Jesosy o! fa manana anao

Na tsytapitra aza ny ady,
dia efa fantatro sahady

Mangirifiry, manaintaina
ny fahoriana mianjady
mangirifiry, nefa nivoaka ho mpandresy aho
efa impiry, miatra aman'aina
mila tsy ho zaka ny ady
nefa impiry, no efa nivoaka ho mpandresy aho

izay maharesy hoy ianao dia avelanao
hitoetra amin'ny seza fiandriananao koa
izay maharesy hoy ianao
dia tsy avelanao
hisedra fahafatesana faharoa

ny hakanosako; ny halemeko dia resiko
noho ianao Jesosy o!
nahazo hery aho, ,noho ny asan'ny fanahy
fanahinao tato anatiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 843
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 16/09/2021 22:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722