MATOA NAVELANAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoa navelanao handalo fitsapana
Mtoa navelanao handalo fisedrana
Ka toa izaho irery no fara-fahoriana
Matoa navelanao higoka ny mafaitra
Matoa navelanao hibaby ny tsy laitra
Indraindray toa izaho irery no fara-fijaliana

Raha toa mivavaka aho izay mba faniriako
Kanefa tsy nahazo ny zavatra izy tiako
Tsy sitra-poko anie no tsy maintsy hatao
Miantsoantso anao aho, mahantra sady ory
Reraka sy vizana toa tsy mahita tory
Mangetaheta anao aho, maniry anao aho.

Nefa matoky aho ny amin'ny fakam-panahy
F' efa misy lalana hiarovanao ahy
Ianao tsy hamela ahy
halaim-panahy
Mihoatra izay tokony ho zakako

Tsy hampitondra ny zioga tsy zakako ianao
Tsy hanome ahy ny mihoatra ny fatrako ianao
Matoa ianao nanaiky ny hitrangan'izany
Matoa navelanao hiseho ny tomany
Dia fantatrao fa zaka
Fantatrao ny fatra
Matoky anao aho

Tsy hampitondra ny zioga tsy antonona ahy ianao
Tsy hanome izay tsy ho zakan' ny olona ianao
Ianao mhalala ny hevitra izay hitondranao ahy
Ianao no hiaro amin'ny fakam-panahy
Manaiky anao aho Tompo o
Matoky anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 478
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 10/10/2020 09:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3147