MASINA NY ANARANAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa fony vao zaza vao niana-nandeha
Dia efa naheno ny anaranao
Taty aoriana efa nihalehibe
Dia nibadabada izao Jesosy izao
Tsy fantatro loatra ny hasaro-bidy
Nahoana no miantso ny anaranao
Saingy androany aho vao nahatsiaro sy nahatadidy
Fa masina ny anaranao

Te hidera hanandratra anao aho
Hihira miandrandra ny lanitra
Te hizara hitory amin'ny hafa f' ianao irery no Andriamanitra
Masina ianao, tena masina
Nefa manaiky hanatonana
Halanao ny ota, nefa ekenao ny fifonana,
Masina ny anaranao

Satria masina, masina, masina loatra ny anaranao
Mihoby anao izao tontolo izao
Samy manaiky ny fiandriananao
Masina e! F' inona no teny mihoatra noho izany
Tsisy toa anao, tsisy toa anao raha eto an-tany
Masina ny anaranao

Andriamanitra mahery e
Rain'ny mandrakizay
Ilay mpamonjy olo-bery e
Io ilay Andriamanitray

Andrian'ny fiadanana e
Ilay mpizara fitahiana
Tompon'ny fanapahana e
Mora azo amin'ny fahoriana

Be voninahitra e
Mitoetra amin'ny seza fiandrianany e
Tsy hita faritra
Mahagaga ny asan'ny tanany e

Masina e! Masina e!
Masina loatra ny Tomponay
Masina e ! Masina e
Io ilay Mpanjaka mandrakizay

Hidera anao aho, hiraiko mba ho ren' izao tontolo izao
Dradraiko eran-tany hoe masina ianao
Masina ianao Tompo o
Hidera anao aho, mino sy matoky resy lahatra
f'ianao no Ray mpandrindra sy mpandahatra
Masina ianao, Masina ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 710
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 19/12/2020 01:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2921