TSY LOZA FA FIADANANA (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy ny andro ratsy
tsy hitahita dia misava
toy ny alina mikitroka
mihova ho maraina
toy ny olana efa nisy
hatrizay...
mivaha foana
nahoana ianao no misalasala

Mety hiteny ianao hoe ampy izay
f'efa ketraka ny fo
Nefa fizahan-toetra mahamay mampiorina finoana
aza ataonao mahagaga loatra izany
f'efa izay ny fitondrana
tsy loza fa fiadanana

ref : aza matahotra ianao
tsy maintsy milamin'io
na tsy hefan'ny herinao aza
na tsy ho vitanao
aza matahotra hoy aho
tsarovy izay efa nataoko taminao
milamin'io fa aza manahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Vangy : 1089
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Malala_soa
Daty : 02/08/2018 14:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744