SATRIA FANTANY AHO (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ilay fitia natolotrao
no indro mampijoro ahy
saika very aho
noho ireo ota
nahababo ahy
soa fa teo ianao Jesoa
nisolo voina ahy

ref : inona no soa havaliko?
inona ary moa, no atolotro
inona ary no, omeko anao
indro ny tenako ho anao Jesosy o

voavonjy izaho ankehitriny
afaka tamin'ny gadrako aho
mihaina am-pifaliana indray
hisantarako ilay fiainam baovao
ka ho vonona aho hitsena Azy
eny amin'ny rahon-danitra
satria fantany aho

2- Miorim-paka ato am-poko
ilay famonjenao ahy
tsy hierika intsony
f'efa fay ireo ditra natao
tena afaka aho Jesoa
tonga olom-baovao
Ref : ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Vangy : 666
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Malala_soa
Daty : 02/08/2018 14:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1749