Afa-baraka (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Afa -baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!
Afa -baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!

Ho tapitra mantsy ity ny mandat,naha Député ahy
nefa azo isaina ny zavatra vita fampanantenana!
Ny fifidianana ity efa ho avy,fotoam-pitsarana !
Inona indray re ny lainga halahatro mba ahalany ahy?

Afa-baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!
Afa-baraka htsuzcwd aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!

Raha ny sezako aloha tsy ho avotsotro na dia ho tezitra ela!
Ny faniriako aza tononkira.serasera.org hiakatra ambony ho lasa Président!
Na farafaharatsiny ho Goverinora (Gouverneur) ho tompon i Laka!
Fa ny tena tiako dia Amperora Mpanjakan ny Mpanjaka a!
Fa ny amperora mantsy lery lavidavitry ny empêchement !

Afa -baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!
Afa-baraka aho marina mafy, afa-baraka aho ho'a!

Raha lanjalanjaina ireo zavatra vita ,maivamaivana ihany !
Ny teti-bola nwwe iaraha mahita tsy ahavitana an'izany!
Ireo Mpanolon-tsaina Mpanoro vilana ho soloiko avy hatrany
Ny kabinetrako amboariko kely ho esoriko izay tsy mamely!

Afa-baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!
Afa baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!

Raha ny Vahoaka dia tsy te ahalala miandry ny Résultat!
Manaraka tsara ny toe-draharaha ka tambatambazo ihany lahy
Aza hitako lahy aza mahita ahy ka ho hisy ny empêchement!
Za ndray thkvkq lehiretsy tsy hanaiky an'izany,tsy hiala ,tsy hiala aho ho'a!

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2874
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/02/2015 23:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0404