HO TIAVINAY MANDRAKIZAY (Mpanazava sy Tily eto Madagasikara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho tiavinay Mandrakizay Madagasikara
Fa lovasoa napetraky ny Razanay
Voasoratra mazava ao am-po ny anarany
Irianay ho soa hiadana tokoa
Fa Nosy maminay Madagasikara

ZaoMalagasy rehetra izao ho tiavinay
Ho tiavinay fa iray tampo tokoa izahay
Hiezaka (tokoa) izahay mba ho andrin'izy ireo
Irianay ho soa, hiadana tokoa
Fa nosy maminay Madagasikara

Atolotray ny tenanay ho azy avokoa
Ny sainay entinay hiasa mafy hanasoa
Ny Fanahinay hangataka mivavaka manao hoe
"Ry Tompo ô Tahio Madagasikara!!!"

A/C: RANDRIA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
Vangy : 1864
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 18/07/2020 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746