Adidiko ianao (Mickael Randriambololona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reko ireo talaho
Sy fitarainanao isan'andro izao
Tampi-dalan-kaleha manjonitra irery
Fa tsy hita izay atao.
Hikararakara anao Aho
Ho atosiko ianao ho eo amin'ny fahombiazana
Aza matahotra na mitanondrika
Fa mpandresy ianao. (X2)

Ref:
Tsy ny fiainanao anio no
hamaritra a!
Sy anambara ny ampitso hoe very lalana!
Efa ny heriko sy ny tanako ny hitantana ny mombanao
Aza misalasala f'Izaho ilay Kapiteny ny fiainanao.
....
Adidiko ianao, ary asan'ny tanako
Tsy very ny vavakao fa tonga eto anatrehako
Fafao ny ranomaso aza mitomany
Manantona aty omeko tambitamby
Tena tiako ianao ry zanako
An-tsandriko ny hoavinao!! ô ôh!!

Ref:
Tsy ny fiainanao anio no
hamaritra a!
Sy anambara ny ampitso hoe very lalana!
Efa ny heriko sy ny tanako ny hitantana ny mombanao
Aza misalasala f'Izaho ilay Kapiteny ny fiainanao. (X2)

Aza misalasala f'Izaho ilay Kapiteny ny fiainanao. (X2)
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/mickael-randriambololona/adidiko-ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mickael Randriambololona
Vangy : 121
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 25/07/2022 11:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0689