HANARA-DIA- (Mickael Randriambololona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fony kely mbola zaza fihan-dranomaso
Tsy nahay niteny, nitaraina, niantsoantso
Tsy nahalala, tsy nahafantatra
Tonga teo Ianao Jesosy naneho fahagagana
Nitantana ahy, nanome masoandro ho fahazavana
Hiposaka, nampisokatra
Ref:
Atolotro ny momba ahy
Sy ny androko rehetra rehetra
Anjakao mandrakizay tsisy fetra
Ampy ho ahy ny fitiavanao
Resy lahatra hanaraka Anao
Safidiko, nofinofy, hetaheta
Vatolampy ijoroako, andreseko
Feno aho, tsisy nenina
2- Takela-by hiampy vy ny làlana
Filàn'ny nofo, filàn'ny maso, fahatanorana
Hanakana, hamotika
Soa fa teo ilay Mpamonjy hanavotra ahy
Nosasany, voadiony tamin'ny ràny
Natsangana ho mpandova
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mickael Randriambololona
Vangy : 1598
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : VideoHiraFiderana1
Daty : 03/11/2020 18:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1718