Jesoa no tsy mivadika (MIALY RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lazaina fa ny adalana sy ny revy tsy ditra
Dia tantaraina koa
Fa ny rendrarendran-tany tsy ho ritra
Toa hiomehezana ireo 'zay
Mba miezaka manao ny tsara
Rabirabiana hoe tsy maharaka toetr'andro fa tara

Kanefa ireny rendrarendra rehetra ireny manam-petra
Ny fiadanana izay fahita eto an-tany tsy hitoetra
Ny ahy ny tena harena tokana ho ahy dia Ianao Jeso
ka indro dradradradraiko eto indray
Fa tena tiako Ianao
Tiako Ianao

Tiako loatra Ianao Jeso
N'inon'inona malaza sy andrianina eto an-tany
Tsy ataoko ambony noho Ianao
Tiako loatra Ianao Jeso
Ny olombelona no mora miovaova
Fa Ianao tsy mba mivadika

"Fa hoy izaho: mandehana araky ny fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. Fa izay an'i Kristy Jesosy, dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. Fa izay mamafy ho an'ny nofo dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo. Ary izay mamafy ho an'ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny fanahy"

Lazaina fa ny adalana sy ny revy tsy ditra
Dia tantaraina koa
Fa ny rendrarendran-tany tsy ho ritra
Toa hiomehezana ireo 'zay
Mba miezaka manao ny tsara
Rabirabiana hoe tsy maharaka toetr'andro fa tara

Kanefa ireny rendrarendra rehetra ireny manam-petra
Ny fiadanana izay fahita eto an-tany tsy hitoetra
Ny ahy ny tena harena tokana ho ahy dia Ianao Jeso
ka indro dradradradraiko eto indray
Fa tena tiako Ianao
Tiako Ianao

Tiako loatra Ianao Jeso
N'inon'inona malaza sy andrianina eto an-tany
Tsy ataoko ambony noho Ianao
Tiako loatra Ianao Jeso
Ny olombelona no mora miovaova
Fa Ianao tsy mba mivadika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIALY RAKOTOMAMONJY
Vangy : 271
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fetra1307
Daty : 11/10/2023 03:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2813