You are here: home > Tononkira > Lova Mamisoa

Tsiaro (Lova Mamisoa)

Omenareo ve ry dada, omenareo ve ry neny, omenareo ve ry dada sy neny ny zo-anay (x2)
Raha mihirahira izahay (x3), lazaina mitabataba

Feon’angorodao manakoako avy lavitra, hiran’ankizy maro mifangaro mahafinaritra
Fa toa mampahatsiaro ahy ny fahazazako, ny mihaino azy ireo mihira sy mitabataba

Fiverenana:
Efa ela moa no mba naniriTsiky dia ampyako, fon’ny mbola zaza aho ka tsy ho adinoiko
Mba te ho mpihira, ka mba mihirahira, dia mandika izay mba vazo tiako
Feon-gitara manakoako avy lavitra, hiran’ankizy maro mifangaro mahafinaritra
Fa toa mampahatsiaro ahy ny fahazazako, ny mihaino azy ireo mihira sy mitabataba

Namorona ny tonony sy ny feony: LOVA MAMISOA
Angorodao: YVON
Gitara: BOUM/Solo : MANITRA

Mpihira : Lova Mamisoa
Mpamaky : 2045
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : gasy22
Tamin'ny : 08/04/2014 07:24:56
ID : 6509

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo