Lamasinina (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa aho r'ikaky, veloma ry Neny
F’izaho hamonjy fiara lamasinina
Lamasinina io ry Dada, lamasinina io ry Neny
Avelako eo 'nareo fa tsy maninona

Soava dia
Reko siosio, reko siosio
Fa raha mifarana any ity lalambý
Reko siosio, reko siosio
Fa misy tany sambatra sy vola be dia be

Ka tonga aho lehiretsy
Tonga tamin'ny fiara lamasinina
Hizaha fandrosoana, hizaha fandrosoana!
Ny any aminay toa tsinotsinona

Fa ny aty, fa ny aty
Vola, rehareha
Vola manempotra, mameno ny arabe
Vola, rehareha
Izaho tsy mba manana
Ka handeha hody aho lehiretsy
Hody amin'ny fiara lamasinina

Ho avy aho r'ikaky, tsenao aho ry Neny
Ny tanàn-dehibe toa tsinontsinona
Hody amin'ny fiara lamasinina
Ny tanàn-dehibe toa tsinontsinona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3572
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 21/11/2002 11:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1775