TSARA NY MIDERA AZY (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haleloia! Misaora an'i Jehovah
F'Izy no 'lay mpanjakan'ny mpanjaka
Izy irery no mendrika ho deraina
Tompon'ny fahefana ambony indrindra
Ianao Jehovah no itokiako
Aoka tsy ho menatra mandrakizay aho
F'aoka ho vatolampy fonenako Ianao
Harambato fialofako

Refrain:
Aza miova sy mahefà
Dia torio ilay mpanjakanao
Venteso hanaka-danitra
Fa tsara ny midera Azy

Asandrato ny hira fiderana
Toy ilay afo ambony alitara
Tsofy mafy ilay anjomara
Ary koa ilay lokanga sy valiha
Mifalia sy miravoravoa
Eo anilan'ilay Ray Tsitoha
Fa ho tena tsapanao tokoa
Fifaliam-po mandrakizay

Refrain:
Aza miova sy mahefà...
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/ktlm-andrirahona-ambohibao-antampontanna/tsara-ny-midera-azy
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Visites : 93
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : mialimalalanomenarazafindrazak
Date : 02/12/2022 19:37
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0787