RAIKO Ô (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raiko ô! Mendrika ahy ve ny ho tiavinao
Ho inona aho raha tsy eo Ianao miaro sy mpiahy
Mahatoky aho fa Ianao no miahy ny fiainako
Raiko ô! Mendrika ho deraina Ianao

Maro be ireo ota vitako
Nanadino Anao ry Ray tsitoha
Miantso ahy Ianao izao
Koa inty aho ry Ray tsy mandao
Omeko anao..
Omeko anao ny fiainako ô ry Raiko ary hanjakao

Zanako! Tena reko ny fitarainanao
Mihaino anao tsy mahafoy Izaho Tomponao
Matokia ianao f'Izaho no momba anao hatramin'izao
Zanako! Matokia Ahy ianao
Zanako! Reko ko ny antsonao
Zanako! Malalako ianao

Atolory ahy ny fonao
F'efa misy lovanao
Fiaina-mandrakizay
Voatokana ho anao

Ôôô...(derao)
Ôôô...(lazao)
Ôôô... Ho anao mandrakizay

Inty ny foko ry raiko
Ny fanahy sy ny saiko
Mba ho mpanomponao
Inty ny zanakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 251
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 30/11/2022 19:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076