JESOSY Ô! INDRETO NY ANKIZY (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOSY O ! INDRETO NY ANKIZY


Jesosy o ! indreto ny akizy
Midera Anao ka tsofy rano re !
Tantanonao mbola zaza bodo
Fa tia Anao mpihaino vavaka !

Jesosy o ! tahionao izahay
Malalanao ka aza hafoinao
Mba hatosahy ny tsodranonao
Mombà anay Zoky malala o !

Jesosy o ! tahio Dada sy Neny
Zoky sy Zandry ary Havanay
Ny firenena sy fiangonanay
Sy ireo sekolin’ity Nosinay

Jesosy o ! Tahio hifankatia
Rahatrizay ho andry lehibe
Hanohana ity fiangonanao
Hajoranay ho voninahitrao !

Jesosy o ! tahionao zahay !
Amen
A/C : Nirina RABEHIANDRANA ANDRIAMAMPIHANTONA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Vangy : 399
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jstone
Daty : 02/08/2022 00:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471