miha-mafana ny tany (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olombelona iza foana
No mbola tsy mahalalala f’efa tapitr’isan-taona
Mihodina ny tany e!
Ary ny @ zao fotoana
Mikorontana ny tonon-taona
Tsy fantatro intsony ny vanim-potoana

Bridge:
Tsy honohono na angano
Fantatry ny isan-tokan-trano
Ny fivoaran’ity raharaha ity
Manomboka mandray ny fepetra
Ny firenena rehetra
Zava-doza no efa mihatra

Ref:
Miha-mafana ny tany
Iainantsika izao
Miovaova ny toetr’andro
Iainantsika isan’andro

Ampahafantarina gazety na ny télé sy radio
Fa ny olona ihany no mahatonga azy ity e!
Mbola ireo ihany koa no mampianatra antsika ny tokony ho atao
Hiatrehana an’izao

Bridge:
“Ny mamboly hazo hatrany
No lohalaharana @ izany”
Hoy izy ireo
Fadio ny doro-tanety
Fantany izany fa tsy mety
Halaviro sy fongory

Ref:
Miha-mafana ny tany
Iainantsika izao
Miovaova ny toetr’andro
Iainantsika isan’andro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iraimbilanja
Vangy : 228
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 03/04/2023 22:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2397