You are here: home > Tononkira > Tarika Hasina

Sentom-poko (Tarika Hasina)

https://tononkira.serasera.org/hira/hasina/sentom-poko

SENTOM-POKO

Ny sentosentom-poko
Sy ny ratrako anaty
Avelao ireny hijanona ho ahy
F'aza ho entinao mankany
Sao dia hanimba, sy vao maika hampijaly
Izato fiainanao iriko ho faly
F'aza rarahinao akory ny ahy

Modio tsy jerena, ity foko onena
Angamba efa jambena toa tsy haharay tena
Iriko tsy handatsa na hamohatononkira.serasera.org ny lasa
Avelao ny foko ho rotidrotika
Fa rehefa reraka izy hilofika,

Natokana izy angamba
Ho akaikin'ny fahatsiarovana
Mampisento sy mahatorovana
Ity foko fadiranovana,
Avelao aho ho amizao
Fa hataovy ny hasambatra anao
Fa raha ny amiko sy ny momba ahy rehetra
Aza atao manapoizina ny fiainanao

Modio tsy jerena

A/C: JOSE, HANITRA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Hasina
Mpamaky : 70
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 21/02/2020 11:41:08
ID : 12568

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo